airtel

Fampianarana

25-janv-2024

15 taona aty aorian’ny krizy 2009

Hamerina ny tetikasa fanohanana ny fampianarana i Etazonia

Sample post image

Nifanandrify indrindra amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena

25-janv-2024

ho an’ny fanabeazana marihina isaky ny 24 janoary, no nanambaran’izy ireo ny fiverenany eo amin’ny sehatry ny fanabeazana eto Madagasikara, 15 taona taorian’ny nampiatony ireo fandaharan’asa izay notohanany noho ny krizy politika nitranga tamin’ny taona 2009. Tetikasa vaovao, antsoina hoe “Lova” noraisina tamin’ilay hoe : “Ny fianarana no lova tsara indrindra", izay haharitra dimy taona ary mitentina10 tapitrisa dolara, no hotarihin’ny Sampan-draharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID). Hiara-hiasa amin'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ny USAID mba hanatsarana ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, manisa ary mitondra tena eo anivon’ny fiarahamonina ho an'ny mpianatra miisa 65.000 any amin'ny sekoly ambaratonga fototra miisa 500, mba hampivoarana mpampianatra miisa1.500 ihany koa ho matihanina, ary mba hanatsarana ny vokatry ny fianarana any amin'ny faritra atsimo sy atsimo atsinanana, hoy ny fanazavana. "Ambany dia ambany ny taha-pahaizan’ny ankizy Malagasy mamaky teny sy manao kajikajy tsotsotra eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra," hoy ny Tale Jeneralin’ny USAID/Madagasikara, Michele Russell. "Manantena izahay fa ity tetikasa ity dia ho dingana voalohany hanatsarana ny fanabeazana ho an'ny mpianatra an-tapitrisany manerana ny firenena.", hoy hatra ny izy.
AMBANY NY FARI-PAHAIZAN’NY MPIANATRA MALAGASY
Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena, 96%n’ny mpianatra Malagasy eo amin’ny 6 ka hatramin’ny 10 taona no tsy afaka mamaky andininy tsotra na efa namarana fianarana ambaratonga fototra aza. Fanampin'izany, latsaky ny 4%n'ny mpampianatra ambaratonga fototra ihany no manana ny fahalalana fototra momba ny fampianarana ankizy sy momba ny taranja ampianariny, ary tsy misitraka fanohanana avy amin'ny fanjakana. Mitombo havesarana koa ireo olana ireo noho ny vokatry ny fahantrana maharitra, ny fiovaovan'ny toetrandro ary ny tsifanjarian-tsakafo. Ny tetikasa Lova dia mifanaraka amin'ny paikady nasionaly momba ny fanabeazana ary hiorina amin'ny fandaharanasan’ny USAID teo aloha mahakasika ny fampandrosoana ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny sekoly ambaratonga fototra. Hanome fanofanana mpampianatra sy fitaovam-pianarana ary kilasy fanarenana mifantoka amin'ny famakiana teny sy kajy fototra, sy mifototra amin'ny fomba fampianarana izay efa voaporofo sy voamarina ny fahombiazany. Ny FHI 360 sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy no hanantanteraka ny tetikasa Lova any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy, izay isan'ny ambany indrindra eto amin'ny firenena ny tahan’ny fahafahan’ny mpianatra misitraka fanabeazana ara-kalitao sy manara-penitra, hoy ny fampitam-baovao.
Toky R
 

Dans la même rubrique