airtel

Fampianarana

11-juin-2024

ADINA ARA-PANATANJAHANTENA BAKALOREA

Nanomboka omaly ny teto an-drenivohitra

Sample post image

Nanomboka omaly Alatsinainy 10 jona ny adina ara-panantajahan-tena Bakalorea ho an’ny eto an-drenivohitra.

11-juin-2024

Milamina ny fiatrehana izany amin’ny ankapobeny satria dia feno tanteraka ny fepetra. Ahitana mpitsabo sy ny mpitandro ny filaminana eny amin’ny toerana hanatanterahana izany toy ny hita tetsy amin’ny ANS Ampefiloha manokana. Tsy nahitana mpianatra bevohoka na narary aloha ny andro voalohany omaly teo am-panatanterahana ny fanadinana. Tsiahivina moa fa mila mitondra taratasy fiantsoana sy « carte d'identité scolaire" ireo mpiadina mbola tsy feno taona. Kara-panondrom-pirenena kosa ho an'izay efa feno taona rehetra. Nisy ihany moa ireo nanadino izany ho an’ny toerana sasany ka nasaina niverina izy ireo ny hariva. Tsy nahazo niditra tao anaty kianja moa ireo mpanaraka ny mpanala fanadinana fa niandry teny ivelany teny hisorohana ny olana mety hitranga toy ny fahaverezan-javatra….
Pati
Legende : Mpiadina am-polony maro omaly no niatrika ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea tetsy amin’ny ANS Ampefiloha !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap