ho an'ny faritanin' Antananarivo. Manodidina ny 50.000 isa eo ho eo ireo mpiadina hiatrika izany amin'ny ankapobeny ka ny 50% avy eto an-drenivohitra avokoa. Nambaran'ny mpikarakara nandritra ny tafa nataony tamin'ny mpanao gazety fa tsy azon'ny mpiadina sy ny Ray aman-dReny tsinontsinoavina velively ny adina ara-panatanjahantena Bakalorea. Mety hahazoana naoty O mantsy izany raha tsy tonga ny mpiadina, tranga izay mety hitarika hatrany amin'ny mety ho tsy fahafaham-panadinana mihitsy. Miantso sy manentana ny mpiadina ho avy handray anjara araka izany ny tompon'andraikitra. Ho an'ireo manana olana ara-pahasalamana kosa dia tokony hanana taratasy mazava avy ny amin'ny dokotera izy ireny hahafahany manao ny teoria. Tsiahivina moa fa toerana miisa 4 no hanaovana ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea eto an-drenivohitra dia ny etsy amin'ny Ankatso, ANS Ampefiloha, Stade Alarobia ary ny eny amin'ny Saint- Michel Amparibe. Mirary soa ho an'ny mpiadina rehetra.
Pati
Légende : Ireo tompon'andraikitra nitafa tamin'ny mpanao gazety !
Raha efa tapitra nampiakatra ny sara-pisoratan'anarana sy ny saram-pianarana aloha
Apetraka ho isan’ny zava-dehibe, indrindra, amin’ny lafiny fahasalamana ny resaka