airtel

Fampianarana

27-août-2026

AEVESM

Miantso ny tokony hijerena ireo

Sample post image

mpampianatra vakatera eny amin'ny Oniversite

27-août-2026

Miantso ny tokony hijerena ny tontolon'ny fampianarana ambaratonga ambony ny AEVESM na ny Association des enseignants vacataires de l'enseignement supérieur sampana Antananarivo. Nivoaka tamin'ny fahanginana izy ireo omaly nampahafantatra ireo maharary azy. Nambaran'ny Dokotera Anselmo izay nisolo tena azy ireo fa mbola betsaka ireo zavatra tokony hahitsy sy hatsaraina eny anivon'ny anjery manontolo. Raha miisa 8 mantsy ohatra ireo mpampianatra eny amin'ny Oniversite dia ny 1 na 2 monja amin'ireo monja no mpampianatra mpikaroka raikitra fa ny ankoatra izay dia vakatera avokoa. Tena misy fiantraikany amin'ny tontolon'ny fampianarana sy ny asa fampianarana eto amintsika izany hoy hatrany ny AEVESM. Mangataka poste budgétaire manodidina ny 500 isa noho izany izy ireo entina handraisana ireo mpampianatra vakatera ho lasa mpampianatra raikitra izay tena maro an'isa tokoa. Na izany aza dia mahatsapa kosa izy ireo fa efa tena manao ezaka ny fitondrana Fanavaozana amin'ny fanatanterahana ilay paikady Oniversite manakaiky vahoaka. Mifameno anefa hoy hatrany izy ireo ny Oniversite miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana eto amintsika hahafahana manampy ny tanora noho izany samy mila fikarakarana avokoa.
Pati
Légende : Nandritra ny tafa nokarakarain'izy ireo ho an'ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

27-août-2026

Etsy Mahamasina no fotoana ny 01 sy 02 Septambra

Card image cap
26-août-2026

fikarohana mitondra fampandrosoana

Card image cap
26-août-2026

Mpitsidika mihoatra ny 20.000 isa no andrasana

Card image cap