Sarotra sy tsy mitombina ny ahafaha-mampiaraka azy ireo hiara-hiditra eny amin’ny Anjerimanontolo, raha ny fanehoan-kevitry ny mpampianatra mpikaroka. “Ho an’ny taom-pianarana 2020-2021 dia iaraha-mahalala fa toa tsy voalazan’ny Minisitera mpiahy ny momba izany, fa toa mitsambikina any amin’ny taom-pianarana 2021-2022. Ny zava-misy anefa izao hoe: ny fanomanana izay natao tamin’ny fidirana 2021-2022 dia ho an’ny mpianatra izay afaka bakalorea tamin’ny 2020. Noho izany, mbola tsy nisy fijerena manokana ho an’ny mpianatra 2021 izay tokony ho laharam-pahamehana ho an’ny fidirana taom-pianarana 2021-2022”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny SECES Sampana Antananarivo Atoa Ravelonirina Sammy Grégoire omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety. Mihevitra ny SECES, fa mba tompon’andraikitra mahalala ny tokony hataony ny eo anivon’ny minisitera sy ny mpitantana ny Oniversite 6 ka manantena izahay fa amin’ny volana desambra 2021 na janoary 2022, dia tokony hisy COPRIES (Conférence des Présidents des Institutions d’Enseignement Supérieur) na “COPRIES mivelatra” handinihina ny momba ireo mpianatra afaka bakalorea tamin’ny taona 2021 fa raha toa ka tsy izay no miseho dia heverinay fa hadisoan-kevitra sy famonoana ny zana-bahoaka, hoy hatrany ny Filohan’ny SECES. Notsipihiny rahateo, fa tsy mitombo fa miha mihena aza ny toeram-pianarana, ka tsy mitombona ny fandraisana miaraka ny andiany roa indray mihira (2020 sy 2021). Ny azo atao, dia mba elanelanina roan a telo volana ny fampidirana azy ireo. Ho an’ny mpianatra taona voalohany sy faharoa no tena misy olana, fa ny taona fahatelo mba efa vitan’ny efitrano kelikely, hoy ny fanehoan-kevitry ny Pr Ravelonirina Sammy Grégoire.
Toky R
Mitohy hatrany ny fampiofanana matihanina ato amin’ny YS Group, hoy ny isan’ireo mpampiofana, Yves Raheriniaina, tetsy amin’ny foiben’izy ireo etsy Ampefiloha omaly.