airtel

Fampianarana

15-juil-2022

Fampianarana

AKAMA 67 ha Afaka BEPC avokoa izy 7 mianadahy

Sample post image

Tena fahombiazana tanteraka ny an’ny AKAnin’ny MArenina etsy amin’ny 67 ha nandritra ireo fanadinam-panjakana roa notanterahin’ireo mpianatra tao aminy.

15-juil-2022

Ho an’ny CEP ohatra dia 100 % ny vokatra azo raha toraka izany ihany koa ny fanadinam-panjakana BEPC. Afaka avokoa izy 7 mianadahy niatrika izany ho an’ity farany na dia nisy aza ireo nanana olana tamin’ireo taranja sasantsasany. Anisan’ireny ohatra ny taranja kajy, ny taranja frantsay…Na izany aza anefa dia natokana efitrano izy ireo nandritra ny fanadinana ary nohazavaina tamin’ny alalan’ny tenin’ny tanana ny laza adina natrehin’izy ireo. Marihina moa fa mihoatra ny 5 ihany koa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’io herinandro ho avy io ho an’ny AKAMA hatrany.
Nangonin’i Pati

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap