airtel

Fampianarana

10-juin-2024

ALASORA, AMPITATAFIKA, TALATAMATY

Hanome sakafo ireo mpiadina hiatrika CEPE

Sample post image

Toy ny fanaony isan-taona dia ne sakafo ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE hotanterahina

10-juin-2024

manerana ny Nosy ny 18 Jona ho avy izao ny kaominina maro eto amintsika. Voakasik’izany manokana ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano, ny kaominina ampitatafika distrikan’Atsimondrano, ny kaominina Talatamaty….Ho an’ny kaominina Alasora manokana, dia nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa an-jatony ireo mpiadina hahazo tombony amin’izany. Am-polony ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha hovatsiana sakafo atoandro mitovy amin’ireo mpianatra ireo ho fanamaivanana ny fahasahiranany sy ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny. Mbola ho an’Alasora ihany dia fantatra fa horaisin’ny kaominina an-tanana ihany koa ny fanaterana ny taratasim-panadinana any Ankadikely Ilafy. Tsy hay hoy ny Ben’ny tanana na ilay fanjakana no tsy manam-bola na ahoana fa fangatahan’ireo mpampianatra sy mpandraharaha aty aminay io dia hataonay rehefa mahasoa ny vahoaka.
Pati
Legende : Hahazo sakafo atoandro mitovy tahaka izao avokoa ireo mpanala CEPE ao Alasora !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap