airtel

Fampianarana

16-sept-2022

Fampianarana

ALFA, mpianatra nahay indrindra tamin’ny bakalorea Handeha hisolo tena ny zaza Malagasy any New York

Sample post image

Hotanterahina any New York ato ho ato ilay fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana ny fanabeazana karakarain’ny fandaharan’asa CERES sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy.

16-sept-2022

Samy hanana solontena amin’izany avokoa ireo firenena rehetra voakasika sy miara-miasa amin’ity fandaharan’asa iray ity ka ho antsika eto Madagasikara dia i Alfa, tovolahy iray 18 taona avy any Nasandratrony Fianarantsoa no hisolo tena antsika. Raha tsiahivina kely ny tantara dia noho ny fanohanan’ny fandaharan’asa CERES no nahafahan’i Alfa nanohy ny fianarany. Tsy nanana izany maripahaizana Bakalorea izany akory izy raha tsy nisy ity fandaharan’asa iray ity. Niezaka ny nilofo tamin’ny fianarana izy noho izany ka izy no nahay sy tsara naoty indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana bakalorea ankapobeny farany teo teto Madagasikara.Handao ny tanàna niaviany ao Nasandratrony Fianarantsoa araka izany ny anaolahy ka hisolo tena ny zaza Malagasy ary hitondra ny feon’ireto farany any New York amin’ny fihaonana an-tampony momba ny Fanavaozana ny Fanabeazana.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap