Ao amin’ny Fokontany Amboatavo no hanorenana izany ahitana efitrano miisa 6, 3 ambony, 3 ambany. Hamaha olana ny lafiny fampianarana sy fanabeazana ao anatin’ity kaominina ity ny fijoroan’izao foto-drafitrasa goavambe izao. Raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis mantsy dia misy miampita rano, mandany saran-dalana mamonjy lisea any an-drenivohitra ireo mpianatra ao aminy hany ka tena mahatsiaro ho sahirana ny Ray aman-dReny. Fampanantenana nataony tamin’ny fampielezan-kevitra nandritra ny fifidianana Ben’ny tanana farany teo moa ity lisea iray vaovao vao hatsangana ity. Tsiahivina fa ezahina hovitaina amin’ny taom-pianarana 2025-2026 ny foto-drafitrasa. Vatan-dehilahy miisa 400 kosa nifanome tanana tamin’ny ady fototra izay volan’ny kaominina madiodio raha ny solombavambahoaka kosa no hanome tanana amin’ny fampitaovana.
Pati
Legende : Ratoetrarinanja Jean Louis, Ben’ny tananan’Ambavahaditokana !
Raha efa tapitra nampiakatra ny sara-pisoratan'anarana sy ny saram-pianarana aloha
Apetraka ho isan’ny zava-dehibe, indrindra, amin’ny lafiny fahasalamana ny resaka