airtel

Fampianarana

16-sept-2025

AMBAVAHADITOKANA ITAOSY

Nahazo Lisea vaovao ny kaomiia

Sample post image

nahazo Lisea vaovao ny kaominina ambanivohitr' Ambavahaditokana,

16-sept-2025

distrikan'Atsimondrano. Afak'omaly Alahady 14 Septambra no notokanana tamim-pomba ofisialy ny foto-drafitrasa izay mahazaka mpianatra miisa 300 ary hisokatra amin'ity taom-pianarana vaovao 2025-2026 ity. Nambaran'ny Ben'ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis fa fampanantenana nataony tamin'ny vahoakan' Ambavahaditokana nandritra ny fampielezan-kevitra tamin'ny fifidianana Ben'ny tanana tamin'ny volana Oktobra taona 2025 ny foto-drafitrasa izay teti-bolan'ny kaominina madiodio. Tanjona raha araka ny fanazavany ny hanalana fahasahiranana ireo zana-bahoaka eny Atsimondrano rehetra toy ny avy ao amin'ny kaominina Itaosy, Andranonahoatra. Raha tsiahivina tokoa mantsy dia mahalany 10.000 Ar isaky ny ankizy mpianatry Lisea isan'andro ireo Ray aman-dReny eny Itaosy sy ny manodidina mampiana-janaka amin'ny Lisea eto an-drenivohitra. Maro ireo tsy manana fahafahana amin'izany, antony mampiato tsy fidiny ireo ankizy mpianatra amin'ny fianarany. Tsiahivina moa fa noraisin'ny kaominina Ambavahaditokana an-tanana ihany koa ny fanitarana ny CEG ao an-toerana izay samy ao anatin'ny Fokontany Amboatavo avokoa. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy niderana an'Andriamanitra no nisantarana ny lanonana notarihin'ireo FFKM ao an-toerana izay sady nitrotroana am-bavaka ny taom-pianarana vaovao ihany koa.
Pati
Légende : Ny Ben'ny tanana Ratoetrarinanja Jean Louis nitarika ny fitokanana ! 

Dans la même rubrique