airtel

Fampianarana

19-avril-2024

Ambony ambany ny fampianarana

“Mandeha ny kolikoly avo lenta ao amin’ny MEN”

Sample post image

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

19-avril-2024

hoy ny fianakaviamben’ireo mpampianatra sy mpanabe tafavory tetsy amin’ny Restaurant Tsiky Ambohijatovo omaly. Ny fianakaviamben’ny MEN na minisiteran’ny fanabeazam-pirenena no manoloana anareo ankehitriny, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Raharivoatra Claude. Iaraha-mahalala, hoy izy, ny hoe nitokona ny tary fa tsy nisy jiro na tsy nisy rano. JIRAMA izay no resaka. Ny lalana potika. Tsy zaka intsony ny vidim-piainana na any amin’ny tsara lalana na ratsy lalana. Izahay ato amin’ny fanabeazam-pirenena, fampianarana tekinika, sekoly miahy tena akory tsy miankina eny amin’ny rahona eny fa iharan’izany manjo ny mpiara-monina rehetra izany. Misy zavatra tena tsy azonay ekena amin’ny maha mpampianatra mpanabe anay. Akaiky ny fifidianana. Nametraka vina ny filoha hoe fanjakana tsara tantana toy ny fanatsaràna ny asam-panjakana, fikarakarana ny mahaolona sy ny maro samihafa. Araka ny tomban’ny banky iraisampirenena dia taona fahatelo na T3 no ahavon’ny fari-pahalalan’ny vahoaka malagasy. Mahatsiaro ho tomponandraikitra tanteraka amin’izany izahay mpampianatra mpanabe. Atao fitaovana politika ny minisitera. Nandeha ny fifidianana filohan’ny repoblika teo. Ny minisitray no talen’ny fampielezan-kevitry ny filohan’ny repoblika. Tsy misy maha ratsy izany. Midera aza izahay satria isan’ny minisitra manam-pahaizana indrindra izy ao amin’io governemanta io. Mbola tanora. Manana izany faharesen-dahatra izany. Ny tsy ekena kosa dia ny fampiasana ny minisitera ho fitaovana politika araka ny faharesen-dahatra politika ananany. Toy ny fiangonana ny sendika. Misy ny karazan’olona rehetra. Misy manana antoko politika ao. Misy tsy manana. Misy ny karazana finoana rehetra. Raha miteny izahay hoe minisitera dia tafiditra ao anatin’izany ny fampiasana fitaovam-panjakana tahaka ny an’ny DREN sy CISCO. Fiara takela mena no ovaina takela mainty mba hahazoana manao fampielezankevitra sy mitety faritra. Tsy ekena indrindra ny fampiasana ny mpampianatra ho fitaovana politika. Any Mananjary izao dia hoe noterena ny mpampianatra izay nirotsaka ho fidiana miaraka amin’ny kandida iray dia ny talen’ny kabinetra mihitsy no niantso ilay mpampianatra hoe miala tao ianao fa tsy mahazo miaraka amin’io olona io fa tsy maintsy mankaty amin’ny antokon’ny fanjakana. Niarahantsika nahita izany. Mandeha ny kolikoly avo lenta ao amin’ny MEN ao ary tena mijaly izahay mpampianatra mpanabe. Heno koa izao ao Amoron’Imania fa ramatoa minisitra mihitsy no nametraka mpiandany amin’ny antoko miaradia aminy ho «Chef CISCO» ao Soavinandriana. Heno koa hoe nosoloina olona efa nigadra in-droa ny DREN ao. Marobe ny tranga tsy milamina miseho, hoy hatrany ireto mpampianatra sy mpanabe ireto, ka ho hitanareo eo ny tohiny rehefa tsy misy ny fandraisana andraikitr’ireo heverina fa tokony handray ny andraikitr’izy ireo manoloana ny zava-miseho.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Tena mbola tsy ampy ny toerana fialam-boly sy fanaovan’ny mpianatra fanatanjahantena eto an-drenivohitra.

Card image cap