mianadahy ny fakiolten’ny toe-karena sy ny fitantanana ary ny sosiolojia EGS eny amin’ny Oniversite-n’Ankatso. Ny mari-pahaizana Licence no natolotra ny andiany Fanoro miisa 155 nianatra momba ny travail social. Ny mari-pahaizana Master kosa no natolotra ny andiany Loharano miisa 41, nanaràka ny lalam-piofanana politique social et developpement. Nambaran’ny filohan’ny oniversite Randrianasolo Rivoarison fa tsy tokony hiandry toerana tsara vao hiasa izy 196 mianadahy ireo. Ny asa tsara hatao hoy izy no miteraka toerana tsara. Ray mpiahy azy 196 mianadahy ireto ny kolonely Gervais Andriamiharintsoa sy ny jeneraly Zafitasondro Marcellin izay samy mpanolontsaina avon’ny fanavaozana avokoa. Nambaran’ny mpanolontsaina avon’ny fanavaozana ny jeneraly Zafitasondro Marcellin fa tsy ampy ho an’ireo tanora avara-pianarana fotsiny ny fahazoana diplaoma fa tena zava-dehibe ihany koa ny fanànana toetra mendrika, ny fahendrena arahin’ny fitondrantena tsara. Raha azo hatao hoy izy dia ataovy izay hihavanana amin’ny olon-drehetra ary aza mamihina ny soa ho an’ny hafa raha mbola azon’ny tananao hatao ihany. Nanafatra ny mpianatra tsirairay amin’ny tsy tokony hanararaotana ny hafa ihany koa izy indrindra fa ny fitadiavana tombontsoa ho an’ny tena manokana.
Pati
Legende : Ireo mpianatra navoaka tamin’ny faran’ny herinandro teo !