maro izy ireo vao tonga any an-tsekoly isan’andro miala any an-tokantranony. Mbola handalovana reniranobe ihany koa izany izay tsy maintsy hiampitana amin’ny lakana. Tsy vitsy ireo mitsoaka an-daharana noho izany indrindra fa rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Aleon’izy ireo mijanona any an-tokantranony mandrapitsahatry ny ranon’orana toy izay ho reraky ny dia an-tongotra sy hitaintan-dava eny am-pitaingenana lakana. Mamono rahateo ny rano sy ny lakana rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Nisy moa ny fanolorana tafo ho an’ny EPP sy CEG nataon’ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana ny faran’ny herinandro teo, fahasimbana nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza Freddy sy Batsiray. Mitete izaitsizy ihany koa mantsy ireo tafon-tranon-tsekoly ireo.
Pati
Legende : Atahoran’ny mpianatra ny miampita lakana tahaka izao !
Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.