airtel

Fampianarana

11-janv-2021

Fampianarana

Anosipatrana Faritra mena, manao tohivaka ny asan-jiolahy

Sample post image

Lasa faritra mena Anosipatrana. Toeram-pisotroana iray eny Ampangabe

11-janv-2021

 

 

 

Anosipatrana indray no nidiran’ny jiolahy ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina.Nisy lehilahy natory ihany tao amin’io “bar” io, saingy renoky ny torimaso ka tsy nahare na inona na inona, raha tsy efa tafavoaka ireo olon-dratsy raha araka ny fantatra. Nentin’ireto farany avokoa araka izany ny fananana toy ny radio, ny vola….Fotoana fohy taorian’izay ihany izany hoe : ny Sabotsy maraina teo ihany dia fiara 4x4 nanatitr’olona teny an-toerana indray no lasibatr’ireo jiolahy. Somary nitsofoka lalana mihazo ny fokontany Anjanakinifolo io fiara io, ka teo no nosakanan’izy ireo izay nahatratra 6 be izao. Raha araka ny fantatra moa dia manana basy ny iray amin’ireo jiolahy. Nambaran’ny manodidina ihany koa fa efa raindahiny amin’ny fifohana rongony sy fanafihana mitam-piadiana izy enin-dahy ireto. Tsiahivina moa fa efa maro ireo olona nitondra takaitra sy namoy ny ainy lasibatr’ireto andian-jiolahy ireto teny amin’iny Ilanivato, Tranodimy, Ampangabe ary Anosipatrana koa hanaovana antso avo amin’ny mpitandro ny filaminana.

Nangonin’i Pati

 

Dans la même rubrique