Trano fisakafoanana ahitana efitra roa; efitranon-tsekoly ho an'ny kilasy garabola sy tranom-boky ahitana haino aman-jery; trano fivoahana sy fidiovana ary rano fisotro madio. Ireo no foto-drafitrasa indray notokanana vokatry ny fiaraha-miasa teo amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka maro dia ny fikambanana Manohisoa, ny fikambanana Enfance Espoir, ny Fondation AXIAN, ary ny Canal Plus. Tonga nanatrika ity lanonana fitokanana ity ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, Razafimahefa Herimanana; ny Tale jeneraly misahana ny sekoly, Ranosy Eliane, solontenan' ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena; ary ireo solontenan'ny mpiara-miombon'antoka tsirairay avy.
Pati