airtel

Fampianarana

30-juil-2021

Fampianarana

Antananarivo renivohitra Nitombo 8 % ireo afaka BEPC

Sample post image

Nitombo 8 % ireo mpiadina afa-panadinana BEPC teto amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra. Raha 51,73% mantsy izany tamin’ny taon-dasa dia nahatratra 59,77 %

30-juil-2021

tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavan-dRamananantony Lalaina, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana Antananarivo renivohitra. Anisan’ny antony nahatsara ny vokatra raha araka ny fanazavany ny ezaka nataon’ny mpampianatra indrindra taorian’ny niparitahan’ny valan’aretina COVID 19 ka nanampiana ireo mpiadina raha vantany vao niverina an-tsekoly izy ireo. Maro tamin’ireo mpianatra ihany koa hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity no nanam-pikirizana mafy indrindra tamin’ny fotoana nijanonany tany an-tokantrano nandritra ny fihibohana. Tsiahivina moa fa amin’ny 09 aogositra ho avy izao vao hiatrika ny fanadinam-panjakana ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea. Tsy vitsy araka izany ireo efa manao ny ainy tsy ho zavatra hahafaha miatrika izany amim-pitoniana.
Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap