airtel

Fampianarana

07-juin-2022

Fampianarana

Antananarivo Renivohitra Zaraina fanampin-tsakafo misy otrikaina ireo mpanala CEPE

Sample post image

Herinandro roa eo ho eo sisa dia higadona ny datin’ny 21 jona hanatanterahan’ireo kilonga madinika ny fanadinam-panjakana CEPE, fanadinana voalohany eo amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona.

07-juin-2022

Mitaky vatana tomady sy saina matsilo izany izany miainga amin’ny sakafo omena azy ireny. Anisan’ny antony hitetezan’ny Association Fitia, tarihin’ny vadin’ny filoha Mialy Rajoelina ny ireo EPP rehetra eto Antananarivo Renivohitra izany. Raha araka ny fantatra dia hetsika efa fanaon’izy ireo isan-taona ny tahaka izany toy ny koba aina sy ny ferozinc. Hatramin’ny 17 Jiona ho avy izao no hanatanterahana izany. Ankizy miisa 8. 313 isa no misitraka izany isan’andro mandra-pahatongan’ny fanadinana mba hahafahany miomana am-pilaminana. Tanjona moa ny hanampiana ny Ray aman-dReny amin’ny fividianana ireo sakafo be otrikaina ho an’ny ankizy raha toraka izany ihany koa ireo kilonga madinika. EPP vitsivitsy no efa nahazo ny anjarany hatreto.
Pati
Legende : Nandritra ny fizarana ny sakafo
 

Dans la même rubrique