airtel

Fampianarana

06-juil-2026

ANTANIMORA SUD

Mbola tsy manana chef cisco

Sample post image

tsy misy fandraisana mpampianatra

06-juil-2026

Tena marary ny sehatry ny fanabeazana any amin'ny distrikan'Antanimora Sud. Ankoatra ny fipetrahan'ireo ankizy mpianatra mpanala CEPE tamin'ny tany farany teo mantsy dia fantatra fa mbola tsy manana lehiben'ny Fari-piadidiam-pampianarana ihany koa ny distrikan'Antanimora Sud. Tsy ireo fotsiny hoy Atoa Baba Tea Longo, solombavambahoaka voafidy tany an-toerana fa mbola tsy misy mihitsy koa hatreto ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana. Voatery ireo Ray aman-dRenin'ny mpianatra efa sahirana indray vokatr'izany no manakarama ireo mpampianatra amin'ny alalan'ny volakely voahangony na ny vokatra vokariny. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny sehatry ny fanabeazana any amin'ity distrika iray ity noho izany ny solombavambahoaka Baba Tea Longo. Nomarihiny moa fa efa nisy ny fitaovana toy ny dabilio sy ny tafontrano nalefan'ny Ministera tany an-toerana saingy tsy maharaka ny filan'ny mponina. Vitsy ihany ireo sekoly nisitraka izany, antony nahatonga ireo mpianatra sasany napetraka tamin'ny tany nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE farany teo. Na izany aza dia tsara ihany ny vokatra azo.
Pati
Légende : Atoa Baba Tea Longo, solombavambahoaka voafidy tany Antanimora Sud !
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mila manana 3 hetsy Ar

Card image cap