izao ny kaominin'Ambohibao Antehiroka, hoy ny depiote voafidy tao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo, Jhonny Rakotoarisoa. Ankehitriny, vita ny lisea vaovao sy hany tokana eto amin'ny kaominina hatreto, hoy izy, satria miasa ny ben'ny tanàna eto an-toerana, Toky Harilanto Andrianarivelo. Taloha ny heno dia hoe mila manome 10% ho an'ny ben'ny tanàna na ho ana tompo andraikitra atsy sy atsy fa hatramin'izay nitantanan'izao ben'ny tanàna vaovao izao an'Antehiroka dia tsy misy afa-tsy asa mandeha sy efa vita no hita na teo aza ny sedra maro sy sakantsankana nolalovany tany aloha, izay niarahantsika nahita, hoy ihany ity depiote ity. Ahitàna efitra miisa 10 ny lisean'Ambohibao, hoy ny fanazavàna, fa ny 4 amin'ireo aloha no nampidirana ireo mpianatra miisa 200 tamin'ity taona ity. Tsy mbola nisy mpianatra ivelan'ny kaominina noraisina koa hatreto ary ny taom-pianarana hoavy vao ho raisina ny kilasy voalohany sy famaranana. Nitokanana ny alakamisy 24 septambra 2026 moa ity lisea ity sy ireo fanavaozana natao tamin'ny EPP sy CEG ao an-toerana ihany koa. Fotodrafitrasa izay ho sitrahana zaza malagasy maro satria kaominina mampifandray ny distrikan'Ambohidratrimo sy ny boriboritany faha 6 eto Antananarivo renivohitra ny kaominin'Ambohibao Antehiroka, raha ny fanazavàna voaray hatrany. Tetsy an-kilany dia nampahafantatra an-tsary koa ny ben'ny tanàna fa efa mandeha ny fanamboarana ny tetezana fiampitàna na "passerelle" ho arolozan'ny fifamoivoizana ao an-toerana rehefa miampita arabe.
Nangonin'i J. Mirija