airtel

Fampianarana

27-août-2021

Fampianarana

Antsiranana “Mbola tsy nanomboka ny fitsarana bakalorea”

Sample post image

Mbola miady mafy ny tambin-karaman’izy ireo tsy misy voarotsaka ankehitriny ireo mpampianatra sy mpitsara ary ao amin’ny fitanana an-tsoratra momba ny bakalorea tamin’ny taon-dasa ao amin’ny kaominin’Antsiranana,

27-août-2021

raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana. Somary mahagaga, hoy ny mpampianatra filozofia sady mpanao politika monina any an-toerana, ny Pr Rene Rasolofo, dia ny hoe ny ben’ny tanana eto an-toerana sy ny governora no nanadina dia hoe izahay no hameno ny banga, araka izay tandrifinay, na dia ho famenony fotsiny aza. Manasa tanana ve izany ny fitondrana ka na dia tsy ampy aza ny vola alefa na nisy nanjavona teny an-dalana, tsy fantatra, dia ny any an-toerana no mameno azy? hoy izy Mampametra-panontaniana lalina momba ny fitantanam-bola eto Madagasikara izany. Nivoaka tamin’ny filankevitry ny minisitra ny zoma teo moa io. Ny vola izany tsy alefa fa ny andraikitra no omena ilay olona. Mbola tsy nanomboka noho izany ny fitsarana bakalorea aty. Toy izay koa ny olana ao amin’ny orinasa Secren. Mikatso tanteraka ny orinasa satria tena tsy mandray na inona na inona ny mpiasa. Maty mosary hatramin’ireo mpiasa misotro ronono. Olana efa hatramin’ny herintaona io ary efa niakatra fitsarana mihitsy ny olan’ny CNAPS ho an’ny mpiasan’ny Secren. Nahazo rariny ny mpiasa nefa tsy noraharahiana ary tsy nisy tohiny dia potika tanteraka ilay orinasa. Mitaky izahay hoe atao toy ny nanaovana ny Air Madagasikara izay nananganana komity fanarenana ny orinasa koa ny Secren. Efa henonay fa nisy mpitondra fanjakana miheritreritra ny haka an’io Bojy ho fananan-tsamirery nefa vakom-pirenena io fa tsy azo ravaravaina fotsiny, hoy hatrany ity mpampianatra sady mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap