airtel

Fampianarana

21-févr-2024

ARIVONIMAMO

Nahazo oniversite hianaran’ireo tanora

Sample post image

Nahazo oniversite hahafahany manohy fianarana sy mampitombo ny fahalalany

21-févr-2024

ireo tanora mpianatra ao amin’ny Faritra Itasy. Napetraka ao Arivonimamo ny fanampin’izany foto-drafitrasa izany araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Minisiteran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika. Mifandray mivantana amin’ny Oniversiten’Itasy io oniversite io. Afak’omaly Alatsinainy 19 Febroary no natomboka tamim-pomba ofisialy ny taom-pianarana tao an-toerana, ahitana lalam-piofanana miisa roa dia ny informatika sy ny toe-karena, izay mamaly ny filan’ny Faritra, noho ity faritra ity manan-karena sy mamokatra. Tanjona ny hanomezana fampianarana tsara kalitao sy fampianarana manakaiky vahoaka, raha araka ny fanazavana azo. Tsiahivina moa fa ny Oniversiten'Itasy dia nametraka ny rafitra fitarihana asa virtoaly na ny "système d'orientation professionnelle virtuelle", hahafahan'ireo mpampianatra matihanina sy mpandraharaha any amin'ireo orinasa tsy miankina sy ny mpampianatra avy any ivelany mandray anjara amin'ny fampianarana. Efa am-polony maro sahady ireo mpianatra manovo fahalalana ao amin’ity oniversite iray ao Arivonimamo ity, raha araka ny vaovao azo hatrany.
Pati
Legende : Efa mianatra tahaka izao ireo tanora manovo fahalalana ao amin’ny Oniversite-n’Arivonimamo !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap