airtel

Fampianarana

16-juin-2025

ASAMA AVOTRA ANOSIPATRANA

Mpianatra 7 tamin'ny 60 no nitsoaka an-daharana

Sample post image

Mpianatra miisa 7 tamin'ireo 60 isa noraisina hianatra maimaim-poana eo anivon'ny Asama Anosipatrana

16-juin-2025

no fantatra fa nitsoaka an-daharana tamin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity. Vokatry ny tsy fahazakan'izy ireo ny fitsipi-pifehezana hapetraky ny sekoly no voalaza ho anton'izany. Diso zatra niaina loatra teny amoron-dalana sy teny rehetra teny mantsy izy ireo amin'ny mahazanaky ny lalana ny sasany hoy ny tompon'andraikitra ka misy ireo mahavita misaoty varavarankely mihitsy. Misy indray ireo kamboty Ray sy Reny ka tsy manam-piahy intsony. Sarotra ny fitaizana azy ireny vokatr'izany hoy ny sekoly. Tonga nitsidika azy ireo ny Fikambanana Rotary Club Antananarivo Mahamasina ny faran'ny herinandro teo nanolotra fitoavam-pianarana ho an'ireo kilonga ao amin'ny taona fahadimy hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE. Mahatratra 270 isa ireo ankizy tohanan'ny fikambanana ao anatin'ireo kilasy miisa 7 misy. Ankoatra ny cantine scolaire dia vatsiana fitaovana sy karama koa ireo mpampianatra. Ho an'ny ASAMA kosa indray dia omena fiofanana arak'asa avy hatrany ny mpianatra aorian'ny fahazoan'izy ireo ny diplaoma CEPE ka anisa'ireny ny asa fanamboarana mofomamy, mahandro sakafo....
Pati
Légende : Ireo ankizy mpianatry ny Asama Avotra Anosipatrana ! 

Dans la même rubrique