dia miisa 24.183 ny isan’ny mpiadina, izay mitsinjara ho 22.887 ho an’ny fampianarana ankapobeny ary 1.296 ny mpiadina amin’ny sampam-pianarana teknika sy fanofanana arak'asa, ho an'ny fanadinam-panjakàna Bakalorea 2026, hoy ny fampi-tam-baovao voaray. 22.198 ireo "candidats d’école" na avy kandida mitondra ny anaran'ny sekoly nihaviany avy ary 1.985 ireo "candidats libres" na tsy miankina amina sekoly. 61 taona ny kandida zokiny indrindra. Sokajy A2 na serie A2 izy io ary hanala fanadinana ao Toamasina. Ny zandriny indrindra kosa dia 10 taona. Série A2 ihany koa ary Moramanga no ivontoeram-panadinany. Ho an’ny Faritra Analanjirofo sy Ambatosoa dia ny oniversiten'Analanjirofo no mikarakara azy. Hezahina havoaka ny voalohan'ny volana, aorian’ny fanombohan’ny Bakalorea izao ny valim-panadinana ary afaka jerena amin’ny "site web" na tranonkala bacc.univ-toamasina.mg sy amin'ireo "Opérateurs mobiles" na tambazotram-pifandraisan-davitra izay miara-miasa amin'ny Oniversiten'i Toamasina ihany koa, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija