airtel

Fampianarana

04-mars-2022

Fampianarana

Bakalorea 2022 Herinandro sisa ahafaha-misoratra anarana

Sample post image

Nampahatsiahy tamin’ny alalan’ny valan-dresaka miantefa amin’ny mpianatra, Ray aman-dReny ary indrindra ny mpanabe ny Minisitran’ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana (MESupReS)

04-mars-2022

 niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (MEN), ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy fanofanana arak’asa (METFP) omaly 03 martsa, fa hifarana ny 11 martsa 2022 amin’ny 6 ora hariva ho avy izao ny fisoratana anarana amin’ny Bakalorea 2022. Herinandro katroka manomboka anio izany sisa ananana. Nanomboka ny 10 janoary io, kanefa tsapa fa mbola ambany ny taham-pisoratana anarana raha ny antontan’isa voaray teny anivon’ny sampana mikarakara ny bakalorea manerana ny faritany rehetra. Mbola 7% eeo izany raha ho an’Antanananarivo manokana. Noho izany dia entanina ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hanatanteraka izany any amin'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy ary hanaja io fe-potoana farany io, hoy ny toromarika. Ny Alatsinainy 18 jolay ka hatramin'ny 22 jolay 2022 moa ny bakalorea ankapobeny sy ny bakalorea teknika fiodinana voalohany, ary ny Alatsinainy 25 jolay ka hatramin'ny 28 jolay 2022 ho an'ny bakalorea teknika fiodinana faharoa. Toy izao kosa ny saram-pisoratana anaran: 15000Ar ho an’ny mpiadina atolotry ny sekoly ; 50 000 Ar ho an’ny mpiadina misora-tena, ary 100 000Ar kosa ho an’ny teratany vahiny. Ho an’ny adina ara-panatanjahan-tena, dia efa namoaka naoty milaza ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena, fa tsy azo atao ny « sport collectif » na iraisana fa « sport individuel » na mandeha irery ihany. Toy ny tamin'ny taona 2021, ny bakalorea ankapobeny dia mitsinjara toy izao : ny Série L dia misy ny Option Al, Option A2 ary Option L, ny Série S dia misy ny Option C, Option D ary Option S, ny Série OSE dia misy ny Option OSE (na Organisation, Société, Economie). Efa saika mampihatra izany avokoa ny ankamaroan’ny lisea rehetra. Ho an'ny bakalorea Teknika sy Arak'asa kosa dia misokatra amin' ity taona 2022 ity ny sokajim-panadinana "Tourisme, Hôtellerie et Restauration" eto Antananarivo sy ny faritra Diana.

Toky R
Sary fanehoana

 

Dans la même rubrique