airtel

Fampianarana

09-févr-2023

Fampianarana

Bakalorea 2023 Tsy ekena ny fahataran’ny fisoratana anarana

Sample post image

Nisokatra ny 06 febroary teo hatramin’ny 7 aprily 2023 amin’ny 6ora hariva ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinam-panjakana ofisialy bakalorea taona 2023,

09-févr-2023

araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Nanipika io Minisitera io fa tsy azo raisina ary tsy misy ny “dérogation” na vahaolana manokana ho an’ireo izay tara aorian’io daty voafaritra io. Voakasika avokoa ny renivohi-paritany enina izay fantatra fa ny eto Antananarivo, Faritra Analamanga no be mpiadina indrindra raha ny vinavina. Tsy niova kosa ny saram-pisoratana anarana fa mijanona ho 15000Ar ho an’ny mpiadina avy amin’ny sekoly, 50 000Ar ho an’ireo mandeha amin’ny anaran’ny tenany manokana, ary 100 000 ho an’nyy teratany vahiny. Tahaka ny mahazatra, hisantarana azy ny Bakalorea ankampobeny sy ny tapany voalohany ho an’ny Bakalorea teknolojika sy teknika ary arak’asa, miampy ny adina am-bava ho an’ny fanatanjahantena izay samy hatao ny 17 hatramin’ny 21 jolay 2023. Hitohy ny 24-27 jolay kosa izany ho an’ireo izay mbola hamita ny tapany faharoa dia ny Bakalorea teknika sy teknolojika ary ny arak’asa.

Mikasika ny fanadinam-panjakana CEPE manokana dia hifarana amin’ny fiandohan’ny volana Martsa ny fisoratana anarana. Toraka izany ihany koa ny fanadinam-panjakana BEPC saingy hitontona faran’ny volana kosa ny fe-potoana farany. Antony nanomezana herinandro maromaro ny Ray aman-dReny moa ny hahatonga ny mpiadina tsy hisy ho tara na dia iray aza hisorohana ny olana mety hitranga.
Toky R sy Pati


 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap
22-avril-2024

Tena mahatsiaro sahirana ny ankamaroan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra indrindra

Card image cap