airtel

Fampianarana

10-juil-2024

BAKALOREA 2024

Nihena ho 218 359 ireo mpiadina

Sample post image

Nihena ny isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’ity taona 2024

10-juil-2024

ity raha oharina tamin’ny taon-dasa. Lasa 218.359 mantsy izy ireo raha araka ny antontan’isa teo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika raha nihoatra lavitra noho izay tamin’ny taon-dasa. Eo an-danin’izay dia mitombo hatrany ireo misafidy ny sokajy literera toy ny A1 sy ny A2 ary ny L. Lasa 69,89% izy ireo izay mitontaly 152.608. Miisa 43 843 sisa noho izany ireo nisafidy ny sokajy siantifika . Ny 10 646 amin'ireo no ao amin'ny sokajy "organisation, Société, économie" na OSE ilay mbola vaovaobe hatrany amin’ireo mpiadina sasany. Hanomboka ny Alatsinainy 22 Jolay ho avy izao moa ny fanadinam-panjakaba Bakalorea ankapobeny, izay hiara-dalana amin’ny tapany voalohany ho an'ny sokajy teknika sy teknilokojia ary profesionela. Hitohy ny herinandro faha 29 Jolay kosa izany ho an'ny tapany faharoa sokajy teknika ary tsy hifarana raha tsy ny datin’ny 01 Aogositra ho avy izao.
Pati
Legende : Mbola ao anatin’ny famerenana avokoa ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea amin’izao !
 

Dans la même rubrique

21-oct-2024

Ny 58%-n’ny ankizy no fantatra fa miaina ilay herisetra ara-tsaina any an-tsekoly eto amintsika.

Card image cap