airtel

Fampianarana

24-août-2026

BAKALOREA

TAO AMIN'NY AKAMA Mpiadina 4 tamin'ireo

Sample post image

9 niatrika izany no afaka

24-août-2026

Mpiadina 4 tamin'ireo 9 mianadahy niatrika ny fanadinam-panjakana Bakalorea teo anivon'ny AKAMA na ny Akanin'ny Marenina etsy amin'ny 67 ha no fantatra fa afaka soa amantsara. 44,44% ny salam-pahafahana izay azo hiafiana ihany amin'ny ankapobeny. Nahatratra 100% kosa ny voka-panadinana CEPE raha 91,5% ny BEPC. Azo hiafiana ihany amin'ny ankapobeny ny vokatra azo. Miezaka hatrany ny AKA.MA. manome fanabeazana tsara kalitao ho an’izay mpianatra mandalo ao aminy. Olana goavana sy sakana mantsy ny tsy fananan'ireo Ray aman-dReny fahafahana amin'ny fandoavana ny saram-pianaran'izy ireny. Miantso ireo tsara siitrapo rehetra hifanome tanana aminy araka izany ny tompon'andraikitry ny sekoly. Na mpianatra iray aza no misy miantoka hoy izy ireo dia efa tena zava-dehibe izany. Miantso ny Fitondram-panjakana koa ireo mpampianatry AKAMA amin'ny fanohanana azy ireo mba tsy ho vesatra ho an’ny ankohonany sy ny firenena intsony ireny ankizy mañana fahasembanana ireny.
Nangonin'i Pati
Légende : Izy 9 mianadahy nanala baka teo anivon'ny AKAMA !
 

Dans la même rubrique

24-août-2026

Efa fantatra ny vokatra ho

Card image cap
21-août-2026

Hisy tolotr'asa ho an'ny tanora

Card image cap