airtel

Fampianarana

20-juil-2026

Bakalorea teknika

Niakatra 11% ny mpiadina,

Sample post image

nitsodrano azy ireo ny minisitra

20-juil-2026

Tanterahana anio alatsinainy 20 jolay ka hatramin’ny faha 24 jolay 2026 ny fanadinana hahazoana ny marim-pahaizana "Baccalauréat Professionnel et Technologique" andiany voalohany, ary ny 27 hatramin'ny 30 Jolay 2026 kosa ny andiany faharoa eny amin’ny ivon-toeram-panadinana Bakalorea rehetra manerana ny Nosy. 10859 ny an'ny sokajy teknika, niakatra 11% satria 9989 tamin'ny 2025. Misokajy toy izao: miiisa 10 426 ny mpiadina hiatrika ny fanadinana "Baccalauret Professionnel", raha toa ka telo amby telopolo sy efajato (433) kosa ny mpiadina Baccalauréat Technologique izay mitsinjara amin’ny foibem-panadinana miisa 66 manerana ny Nosy. Izany dia ahitana : sehatr’asa Enina (6) ary mizara amin’ny sokajin’asa miisa (21) hoan’ny Bac Pro. Sehatr’asa Telo (3) izay mizara amin’ny sokajin’asa miisa telo (3) hoan’ny Bac Techno. "Hiatrika ny fanadinam-panjakana ianareo ry Tanora Zandry Zanaka. Ny Ministeran’ny Fampianarana Tekinika sy Fanofanana Arak’asa dia mirary soa anareo mpiadina rehetra hahavita soa aman-tsara ny fanadinana ary mirary anareo sahady ho afaka fanadinana soamantsara ka hanatevin-daharana ireo tanora manana traik’efa sy fahaiza-manao ato amin’ny sekoly teknika sy arak’asa.", hoy ny Minisitra Dr Dr Todisoa Andriamampandry. "Mahazo matoky ianareo RAIAMANDRENY fa hizotra araka tokony ho izy ny fiatrehan’ny zanantsika ny fanadinana Bakalorea. Efa samy mandray ny andraikitra tandrify azy daholo ny Ministera foibe METFP izay iadidiako, sy ny Ministeran’ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy fikarohana Ara-Tsiantifika (MESUPRES), ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka, ireo Tompon’andraikitra Ara-panjakana sy ny Manam-pahefana isam-paritra , ary ireo Fitaleavam-paritra DRETFP sy ny Toeram-panofanana LTP miakina sy tsy miakina amin’ny Fanjakana sy ireo sampan-draharaha rehetra isan-tsokajiny tandrify an’izany. Mirary ny fizotran’ny fanadinana am-pilaminana sy tsy misy Tomika izahay, «olo-mahay raha tsy very mandeha", hoy hatrany ny METFP tarihin'ny Dr Todisoa Andriamampandry. Hamafisina fa Bus FOTON miisa 84 no hahetsika amin’ny zotra (axes) 22, ary hanomboka hiasa amin’ny 5 ora sy sasany maraina mandritra ny fanadinana eto Antananarivo. Entina ny convocation sy ny CIN na ny karatra maha-mpianatra. Ny mpiadina iray dia afaka miaraka amin’ny mpanaraka iray. Maimaimpoana ny fitaterana. Ireo bus ireo dia hisy marika « EXAMENS » mba ho mora fantarina
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

Mila manana 3 hetsy Ar

Card image cap