airtel

Fampianarana

31-août-2021

Fampianarana

Bemasoandro Itaosy Afaka handray mpianatra 300 ny EPP nitarina

Sample post image

Nasiam-panitarana ny sekoly ambaratonga fototra ao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

31-août-2021

 Raha tsy nanana afa-tsy efitrano fianarana miisa 3 izy teo aloha dia efa lasa 6 izany ankehitriny, hanjary hahazaka mpianatra miisa 300 raha 210 isa teo aloha. Nambaran’ny talen-tsekoly nandritra izany fa tombony lehibe ho an’ity kaominina ity ny fahazoana foto-drafitrasa tahaka izao. Ho tafiditra an-tsekoly avokoa mantsy ny zana-bahoaka hoy izy raha misy hatrany ny fiezahana tahaka izao. Ho an’ity EPP iray ity manokana dia fantatra fa 20.000 Ar ny latsak’emboka haloan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra ho enti-mampandeha ny raharaha eo anivon’ny sekoly, mari-bola tapaka nandritra ny fivorian’izy ireo. Tsy olana raha araka ny fantatra na aloha mandritra ny taom-pianarana manontolo aza io mari-bola io miankina amin’ny fahafahan’ny tsirairay. Ny 01 Septambra ho avy izao moa no hiditra ny mpianatra rehetra ho an’ireo sekolim-panjakana manerana ny Nosy.
Pati
 

Dans la même rubrique

15-avril-2024

Ilaina atao laharam-pahamehana ny fampianarana raha tiana ny handroso, hoy ny Pr Raoelina Andriambololona,

Card image cap
15-avril-2024

Kely sisa dia hirodana tanteraka ny sekoly miankina amin’ny fanjakana na EPP ao Ankoby,

Card image cap