airtel

Fampianarana

17-janv-2024

CAMPUS MANINDAY TOLIARA

May ny tranon’ny mpianatra, lasa lavenona ny diplaoma

Sample post image

Trano vita amin’ny tafo tôle iray tao anatin'ny Campus Maninday,

17-janv-2024

Toliara no may kila forehitra omaly Talata 16 Janoary tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro teo. Lasa lavenona vokatr’izany ny diplaoma sy ireo entana rehetra tao anatin’ilay trano. Na izany aza mba tsy nihitatra ny afo vokatry ny fifanomezan-tanan’ireo mpianatra sy ny sampana mpamonjy voina izay somary tratra aoriana kely vao tonga. Raha ny filazan'ireo mpianatra dia « Court circuit » tamin’ny efitrano nihidy iray no nitarika ny fahamaizana. Tsiahivina moa fa vetivety ihany dia voafehy ny afo. Efa nisy ihany koa ny fampandrenesana natao tamin’ireo tompon’andraikitry ny orinasa JIRAMA nijery akaiky ity court circuit ity izay nambaran’ireo mpianatra fa tena atahorany indrindra amin’izao fotoam-pahavaratra izao. Tsiahivina tokoa moa fa dia ao anatin’ny vanim-potoana filatsahan’ny ranon’orana aza isika dia misy hatrany ny haintrano, antony tokony hitandremana. Vao mainka mampahazo vahana ny afo mantsy ny rivotra mahery entin’ny ranon’orana hoy ny fanazavana raha toraka izany ihany koa ny trano mihidy toy ity nitranga tany amin’ny Campus Maninday ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Ravarava tahaka izao ilay trano vita tamin’ny tole !
 

Dans la même rubrique