sedrain’ny sekolim-panjakana eto amintsika. Ankoatra ny resaka foto-drafitrasa dia olana goavana iray ihany koa ny tsy fahampian’ny fitaovana, antony manosika ireo kaominina maro samihafa hitady mpiara-miombon’antoka. Ho an’ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano manokana dia notoloràna dabilio am-polony omaly Talata 22 Septambra ny CEG izay marihina fa hany tokana hianaran’ireo mpianatra vao afa-panadinana CEPE ao an-toerana. Vao 12 isa monja ihany koa ny EPP misy, iray monja ny lisea, raha miisa 20 ny Fokontany misy. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fiangonana Ortodoksa no angady nanana sy vy nahitana izany. Nambaran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy fa anisan’ny manohana azy amin’ny lafiny maro ity fiangonana ity entina hanasoavana ny vahoakan’Alasora. Ho an’ny fiangonana Ortodoksa indray dia tsy mijanona amin’ny fikoloana ny lafiny ara-panahin’ny mpino fotsiny izy ireo raha araka ny fanazavan’ny Mompera Odilon fa mandray anjara feno amin’ny fampiroboroboana sy fampandrosoana ny sehatry ny fanabeazana manerana ny Nosy ihany koa. Mba hisorohana ny fitomboan’ny isan’ireo mpianatra mamerina kilasy eny anivon’ny CEG moa dia fantatra fa hanomboka tsy ho ela ny cours maimaim-poana karakarain’ny kaominina Alasora ho an’ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC. Hetsika efa fanaon’ny kaominina isan-taona izy io raha araka ny fantatra ho fanampiana ireo mpianatra sy hanamaivanana ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Hafaliana tahaka izao ny an’ireo ankizy mpianatra niara-naka sary tamin’ireo tompon’andraikitra !