airtel

Fampianarana

16-nov-2026

CEG

FALIARIVO AMPITATAFIKA

Sample post image

Nisolo vaovao ny talen-tsekoly

16-nov-2026

Nahavita ny asa fanasoavany ireo zana-bahoaka tao anatin’ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Atsimondrano ny talen-tsekoly ao amin’ny CEG Faliarivo Rafanomezantsoa Jean Jacques. Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo ny lanonana fanaovam-beloma azy izay niantohan’ny kaominina Ampitatafika avokoa, nanasana ireo mpampianatra rehetra. Nambaran’ny Ben’ny tanana Rado Ramparaoelina nandritra izany fa tena anisan’ny nanao ezaka nanampy azy tamin’ny fananganana ny liseam-panjakana ao Ampitatafika ny tale Jean Jacques. Ankoatra izay hoy izy dia tokony efa nandeha nisotro ronono ity farany teo amin’ny faha-60 taonany saingy mbola nikiry nanao ny asany ihany ary mbola nahavita 4 taona no mihoatra. Tsara hatrany ny voka-panadinana teo anivon’ny CEG Faliarivo hatramin’izay ka fanirian’ny rehetra ny mbola hitohizan’izany. Tsiahivina fa ny CEG Faliarivo dia mitondra ny anaran'i Lieutenant Randriamaromanana Albert. “Na ho inona ho fiafarany dia fanavotana ny Tanindrazana ity.“ Io no teny nataon'i "Lieutnant RANDRIAMAROMANANA ALBERT". Teraka teto Antananarivo ny 11 Jona 1913 izy. Anisan’ny Terak’Imerina tena tia Tanindrazana izy. Tsy mpikambana tao amińny antoko M.D R.M kosa fa tao amin’ny antoko miafina JINA ary nanaraka akaiky ny fivoaran’ny fikomiana izay nokonokononin`ny Malagasy tamin’izany fotoana.
Pati
Legende : Niara-niasa akaiky tamin’ny Ben’ny tananan’Ampitatafika nanohana ny sehatry ny fanabeazana tahaka izao hatrany Tale Jean Jacques !
 

Dans la même rubrique