tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fampianarana

CEG Nanisana Miato indray ny fampianarana

Miato indray ny fampianarana eo anivon’ny CEG Nanisana, Antananarivo renivohitra. Mitokona tsy mety manohy ny

10-mars-2023

Sample post image

fampianarana indray mantsy ireo mpampianatra sy mpandraharaha ao an-toerana noho ny mbola tsy nandoavan’ny fitondram-panjakana ny tambin-karamany tamin’ny fitsarana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC nandritra ny efa-taona. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpampianatra iray dia nanomboka ny taona 2019 no niainan’izy ireo izany ka hatramin'ny taona 2022. Mahatsiaro ho leo izy ireo araka izany. Efa manakaiky indray mantsy ny fanadinam-panjakana CEPE taona 2023. Ankoatra izay dia mitaky ny hanendrena ny tale mpisolo toerana eo anivon’ity CEG ity ho tale raikitra ihany koa ireo mpampianatra sy mpandraharaha ao an-toerana. Nilaza moa izy ireo fa tsy hiverina hampianatra raha tsy mivaly ny fitakiany. Eo an-daniny kosa dia velon-taraina fatratra ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra noho ny fahabangan’ny fotoana tsy hianaran’ireo menaky ny ainy. Nandritra ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 aza hoy izy ireo efa tsy fidiny.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fitokonana notanterahin’ireo mpampianatra sy mpandraharaha
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena
01-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Voir plus