airtel

Fampianarana

28-févr-2023

Fampianarana

CEG sy Lisea Alakamisy Itenina Mbola tsy voavaha ilay olana amin’ny fananganan-tsaina

Sample post image

Tsy voavaha ny olana hatreto, mbola tantara mitohy ny raharaha fifanolanana eo amin’ny Sekoly CEG sy Lisea any Alakamisy Itenina mampifanolana ny sekoly sy ny avy amin’ny Fiangonana « Témoins de Jehovah ».

28-févr-2023

Anton’izany ny fisiana mpianatra miisa 5 (2 ao amin’ny CEG ary 3 ao amin’ny Liseea) tsy nety nihira ny hiram-pirenena, izay sokajian’io fiangonana iray ho fanompoan-tsampy. Tranga niseho tany amin’ny tapak’ity volana ity. Nampiatoana ireto ankizy ary nisy ny naoty navoaka mifandraika an’izany. Nisy anefa ny iraky ny fiangonana sy mpisolovava ary vadin-tany namerina an-keriny azy ireo an-tsekoly, raha ny fanamarihana. Nahazo taratasy avy amin'ny fitsarana mihitsy ny “proviseur” izay mandidy azy hanafoana ireo fanapahan-kevitry ny sekoly tsy hampianatra ireo ankizy miampy onitra onitra 3 tapitrisa ariary aloan’ny sekoly. Ny mpanabe etsy andaniny kosa niray hina tsy hampianatra rahatsy hanaja ny fitsipika ireo mpianatra. Tsy manaiky izany ireo mpanabe ary tsy manaiky handray ireo mpianatra ireo raha tsy manaja ny fitsipiky ny sekoly. Omaly, nisy ny fanambarana nataon’ireo mpianatra ao anatin’ny ZAP, Cisco Vohibato eo anatrehan’ny zava-misy. Nanome 72ora nanomboka omaly 27 febroary 2023 ho an’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany izy ireo hamaliana ny “requête” avy amin’ny Fitsarana izay nomen’ny mpisolovava ny « Témoins de Jehovah » an’ny Proviseur-n’ny Lisea Alakamisy Itenina izay manery ny fanafoanana ny fampiatoana ireo ankizivavy tsy mety manaraka ny fitsipika mifehy ny sekoly sy mety mihira ny hiram-pirenena, ary indrindra mbola misy ilay fitakiana onitra 3 tapitrisa Ar amin’ny mpampianatra. “Manamafy izahay mpanabe fa tsy handray ireo zaza 5 ireo raha mbola miziriziry izy ireo ny tsy hanaraka ny fitsipika sy tsy hihira ny hiram-pirenena”, hoy ireo mpanabe. Raha hiverenana ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle taorian’ity tranga ity dia hoe: “Adidy ny manaja ny sainam-pirenena fa tsy safidy. Tsy maintsy manaraka ny fitsipika mifehy ny rafitra iray ianao rehefa misafidy malalaka ny hiditra ao anatiny. Tafiditra ao anatin’izany ireo sekoly. Nisafidy ny tsy hanoratra lava aho satria tsy tokony misy adihevitra mahakasika an’izany.".
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap