airtel

Fampianarana

30-août-2023

Cellule de crise” SECES

“Fanjakana manaja ny firaisam-pirenena no vahaolana!”

Sample post image

Olana ara-drafitra samihafa no nangeja antsika malagasy hatramin’izay ka tsy nahafahana nampandroso mihitsy ny firenena,

30-août-2023

toy ny rafi-pitondrana, rafi-pifidianana, rafi-pitsarana, rafi- pitantanan-draharaham-panjakana, rafi-panabeazana, rafitra mifehy ny fananantany, rafitra mifehy ny angovo, rafitra ara-toekarena, rafitra ara-tsosialy sy ny rehetra, hoy ny teo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES omaly. Fandikana anjambany ireo karazan-drafitra fampiasa tany ivelany no natao hatramin’izay, izay tsy nifanaraka velively amin’ny zava-misy eto Madagasikara ka vao mainka nampiditra azy tao anaty kizo sy fahantrana lalina, hoy izy ireo. Adidintsika malagasy ny mitondra vahaolana tena malagasy, ho antsika malagasy ho fanavotana ny firenentsika fa tsy iandrasana ny hafa. Raisin’ny “Cellule de crise” SECES ho adidy sy andraikitra, amin’ny maha “zanaky ny firenena” azy, ny mitondra ny anjara birikiny ka mandroso ny foto-keviny amin’ireto lafin-javatra roa ireto ho fanarenana ny fanorenana firenena tena Malagasy. Rafitra repoblikanina ahitana fanjakana tokana izay mampivangongo ny fahefana sy tombontsoam-pirenena ka tsy nahafahana nampandroso ny isam-paritra na/sy isam-paritany ny rafitra misy eto. Fomba nitsinjarana ny faritany/ faritra tsy manaja ny voajanahary (kolontsaina, soatoavina, otrikarena, toe-tany, vohontany,...). Fampandrosoana mitanila sady tsy mirindra, izay niteraka lonilony ho an’ireo faritra tratra aoriana sy natao ankilabao. Fampiharana ny baiko midina nefa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony. Fanjakana manaja ny firaisam-pirenena ao anatin’ny fahasamihafana, tsy repoblikana, tsy fanjakana tokana (Etat unitaire), izany hoe, vondrom-pahefana tena malagasy, manome lanja ny fizakantenam-paritany no vahaolana! Famerenana ny fitsinjarana ny faritany/ faritra manaja ny voajanahary. Drafi-pampandrosoana miainga eny ifotony. Teny ifampierana miainga avy eny ifotony.
MAMPANAHY NY FIFIDIANANA
Fifidianana antemantemaka, kitoatoa, feno kajikajy ho fampandaniana ny kandidan’ny mpitondra sy fanilihana ny hafa, izay manome vahana ny hosoka sy krizy maro samihafa mivantana na ankolaka no misy. Lalàm-pifidianana goragora no misy sy tadiavina ho ampiasaina. Rafitra tsy mahaleo tena, mampiahiahy, fehezin’ny mpitondra izay sady kandida no mikirakira sy mitantana ny fifidianana. Lisi-pifidianana tsy tomombana sy rindram-baiko (logiciel) tsy azo antoka no misy sy tadiavina ho ampiasaina. Mpanara-maso ny fifidianana tsy afaka manatanteraka ny asany ankitsim-po, tsy manana fahafahana sy fizakan-tena tanteraka. Olompirenena mpifidy, tsy vonona sy tsy voaomana tsara. Fifidianana voaomana sy tomombana tsara no tokony tanterahina. Hatsaraina sy hahitsy ny lalàm-pifidianana. Voafaritra mazava tsara ao anatin’izany ohatra ny tsanganan’ny olona afaka mirotsaka ho fidiana, ny fisian’ny anto-bola aloha na tsia, ny fepetra momba ny fampielezan-kevitra sy ny rehetra. Atsangana ny “rafitra manokana” (Juridiction spéciale) hitantana sy hitsara ny fifidianana. Miainga avy amin’ny lisitra ao amin’ny fokontany sy ny kaominina no handrafetana mifanaraka amin’ny teknolojia avo lenta (informatika) ary voaangona ao anaty antontan- kevitra fototra (base des données) sady iombonana ny sora-piankohonan’ny olom-pirenena amin’ny ankapobeny, ary tsongaina manokana amin’izany ny lisitry ny mpifidy. Rindram-baiko (logiciel) vita eto an-toerana, azo antoka, azon’ny rehetra tsirihina sy hamarinina no ampiasaina. Avela malalaka hanao ny asany ireo mpanara-maso ny fifidianana. Mitovy lenta avokoa eo anatrehan’ny fitondram-panjakana ireo mpanara-maso ny fifidianana rehetra, na eo amin’ny lafiny ara-bola izany, na eo amin’ny fampitaovana. Mandavan-taona ny fanabeazana sy fanentanana ny olompirenena mpifidy. Rafi-panjakana tsara rindra, fifidianana tsara tantana, antoky ny fahamarinan-toeran’ny rafi- pitondrana mifandimby no hahafahana manarina sy manorina firenena tena malagasy, miantoka ny firaisam-pirenena sy ny fampandrosoana lovainjafy, lavitry ny fijabahan’ny mpanjanaka ara-tantara. Ry « zanaky ny firenena », manam-pahaizana, manam-panahy, vonon-kiova sy vonon- kanova; andao horaisantsika an-tànana ny fanorenana «Firenena tena malagasy», hoy hatrany ny SECES.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap