Fihaonana sy famelabelaran-kevitra fanao isan-taona iarahana amin'ireo mpitantana sy tompon'andraikitra eo amin'ny sehatry ny fandraharahana, indostria ary ny toekarena izy ity. Anisan'ireo mpandray anjara amin'ity taona 2026 ity i Tahina RAZAFINJOELINA , manampahaizana momba ny informatika sy ny nomerika, filohan'ny filankevi-pitantanan'ny IT University, filoha mpanorina ny ONET Group International. Misehatra eo amin'ny tontolon'ny fampianarana sy ny fitantanana orinasa eto Madagasikara, amin'ny faritry ny ranomasimbe indiana sy afrika izy. Sokajiana ho anisan'ireo manampahaizana manana ny toerany eo amin'ny sehatry ny nomerika mitondra mankany amin'ny fampivoarana ny toekarena izy. Hizara ny traikefany momba ny haitarika sy ny teknolojia mandritra ny CEO Summit Indian Ocean i Tahina RAZAFINJOELINA, izay manamafy hatrany fa fitaovana lehibe amin'ny fametrahana ny mangarahara eo amin'ny fitantanana ny nomerika.
RTT