airtel

Fampianarana

07-juil-2021

Fampianarana

CEPE 2021 Ny taranja tantara no tena nampikolay ireo mpiadina

Sample post image

Ny taranja tantara no tena nampikolay ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly talata 06 jolay raha mora tsy araka ny nanampoizana azy kosa ny laza olana raha araka ny fanazavan’ireo mpiadina.

07-juil-2021

 

Anisan’ny nanadinana azy ireo tamin’izany ny anaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona raha araka ny fantatra hatrany izay betsaka no tsy nahavita namaly izany. Na izany aza anefa dia manantena ny ho afa-panadinana avokoa ny ankamaroan’ireo kilonga madinika. Ho an’ny foibem-panadinana tetsy amin’ny Ceg Antanimena manokana dia miisa 23 ireo mpiadina tsy tonga raha miisa 2036 ireo mpiadina voasoratra anarana ka anisan’ireny ireo niatrika izany tao amin’ny EPP Antanimena sy ny SFX Antanimena. Somary nanana olana kely izy ireo tamin’ny laza adina tsy ampy ho an’ny TFM saika nahitam-bahaolana ihany izany ka nizotra araka ny tokony hoy izy ihany ny fanadinana. Ho an’ireo mpiadina nanadino na very taratasy fiantsoana kosa dia fantatra fa nomena dika nitovy tamin’izany izy ireo ka afaka niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE soa aman-tsara ihany koa.
Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap