Ho an’ny CEPE manokana dia efa vita soa aman-tsara omaly talata 20 jona izany saingy na izany aza tena nikaikaika avokoa ireo Ray aman-dReny.
NANDANIANA VOLA SY NIASANA SAINA
Handaniana vola mandritra ny taona tokoa ireo menaky ny ainy niatrika sy hiatrika ireny fanadinam-panjakana maro isan-tsokajiny ireny vao tapitra ny taona iray. Ankoatra ny saram-pianarana tsy maintsy aloha isam-bolana ho an’ireo mampiana-janaka eny anivon’ny sekoly tsy miankina dia tsy azo hatao ambanin-javatra ny fanohanana ara-tsakafo ireo ankizy mpiadina, ny fitandroana ny fahasalamany, ny fanaraha-maso hatrany ny fitaovany ary ireo kojakoja kely tsy maintsy ilainy mandritra ny fanadinana. Tsy mora ny miatrika izany. Ho an’i Patricia, Renim-pianakaviana nanan-janaka nanala CEPE omaly ohatra dia nambarany fa tena ady sy tolona no hatrehin’ny Ray aman-dReny vao mahavita taona iray tahaka ireny ny zaza, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana. Sady mandeha ny vola no miasa ny saina raha araka ny fanazavany indrindra amin’ny androm-panadinana toy ny omaly Talata izay efa nanokanana vola manokana mihitsy na dia efa tena sarotra aza ny fiainana.
Fiara-miasakafo atoandron’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mandra-piandry ny fidirana amin’ny tolakandro
NISY IREO KAOMININA NANAMPY
Anisan’ny antony nanosika ireo kaominina sasany hanampy sy hanohana ireo Ray aman-dRenin’ny mpianatra izany omaly. Ho an’ny kaominina Alasora, Avaradrano manokana dia nahatratra 2.000 isa ireo olona notoloran’ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ny ekipany sakafo atoandro feno sy mafana ka anisan’izany ireo mpanala CEPE miisa 1.417 sy ireo mpandraharaha isan-tsokajiny. Mitontaly 10 tapitrisa Ar ny vola lany tamin’izany. Nitsinjara tamina foibem-panadinana miisa roa kosa ireo mpiadina dia ny tao amin’ny CEG Alasora sy ny kolejy Saint Laurent.Efa efa-taona izao no nanaovan’ny kaominina hetsika tahaka izao hoy ny Ben’ny tanana hanalana fahasahiranana ny Ray aman-dReny. Tsy nisy nanadino taratasy fiantsoana na koa tsy tonga ireo mpiadina tao Alasora omaly fa tonga avokoa ary nizotra tamim-pilaminana ny fanadinana hoy ny lehiben’ny foibem-panadinana. Ho an’ny kaominina Ampitatafika indray dia miisa 1.450 ireo ankizy sy mpandraharaha nomena sakafo atoandro omaly vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny Tozzigreen. Iray tamin’ireo ankizy mpiadina ireo no jamba saingy efa nitondra milina nahafahany niatrika izany fanadinam-panjakana CEPE izany.
Nandritra ny fizarana sakafo mafana omaly nataon’ny Ben’ny tananan’Alasora Randriantsoa Jimmy sy ny ekipany
ANTONONY
Ho an’ireo kilonga madinika manokana dia fantatra fa samy nanana ny fahitany ny laza adina tamin’ny fanadinana CEPE izy ireo omaly. Ny sasany nilaza fa mora, ny sasany kosa niteny fa antonony izany. Miotisoa, 9 taona : Nety ny fanadinana CEPE ho an’i Miotisoa kely. Ny kajy no somary nananany olana kely. Na izany aza manantena ny ho afaka soa aman-tsara izy. Manampy, 10 taona : Ny taranja Frantsay indray no tena olana ho an’i Manampy. Ny ankoatra izay dia nambarany fa mora avokoa ary mino ny fahafahany izy.
SARY : Samy manana fanantenana ny ho afa-panadinana i Miotisoa sy Manampy
TSY TOKONY HOFOANANA
Nandeha ny resaka fa ity fanadinam-panjakana CEPE omaly ity no fanadinana CEPE farany ho antsika eto Madagasikara.Hofoanan’ny fanjakana izy io amin’ny taona ho avy raha araka ny fantatra vinavina hatrany. Samy manana ny fahitany azy ny rehetra manoloana izany. Ho an-dRado Ramparaoelina, Ben’ny tananan’Ampitatafika dia nambarany fa tsy tokony ho foanana ny fanadinam-panjakana CEPE raha heviny. Vitsy loatra mantsy hoy izy ireo zaza Malagasy mahatody any amin’ny kilasy fahasivy izany hoe : hiatrika ny fanadinam-panjakana BEPC ka aleo manala CEPE ihany ny ankizy madinika raha azo hatao.
Tsy tokony ho foanana ny CEPE, hoy i Rado Ramparaoelina
DIMY HETSY
Mitontaly 515. 081 ireo mpiadina niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE nanerana ny Nosy ka ny 99 isa amin'ireo no manana tsy fahatombanana ara-batana. Antananarivo no be mpiadina indrindra satria dia mahatratra 169. 022 izy ireo izay mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 572. Manaraka azy kosa i Fianarantsoa izay misy mpiadina 95. 573 isa nitsinjara tamina ivon-toeram-panadinana miisa 411. Miisa 47. 310 ireo mpiadina avy ao Toliara nitsinjara tamin’ny ivon-toeram-panadinana miisa 199. Ho an’i Mahajanga indray dia nahatratra 66. 174 ireo mpiadina niatrika izany, nitsinjara tamin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 268. Ho an’Antsiranana indray dia miisa 53. 740 ireo mpiadina niatrika izany, mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 169 ary ny taoToamasina izay nahitana mpiadina miisa 83. 263, mitsinjara amin'ny ivon-toeram-panadinana miisa 376. Nilamina ny fizotry ny fanadinana CEPE tamin’ny ankapobeny na dia nisy ihany aza ireo ankizy tsy tonga noho ny antony ara-pahasalamana….Vinavinaina hivoaka amin’ny Sabotsy ho avy izao moa ny vokatra raha efa manomboka anio Alarobia kosa ny fitsarana ny taratasim-panadinana manerana ny Nosy.
Pati
Tontosa ny 14 may teo ny varavarana misokatra ho an’ny oniversiten’i Vakinankaratra,