manerana ny Nosy izay hitsinjara amina foibem-panadinana miisa 1995 sy efitranom-panadinana 14.801 isa. Ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano manokana dia niatrika ny fanadinana CEPE andrana andiany faharoa nokarakarain’ny ZAP izy ireo omaly talata 06 Jona. Amin’ny ankapobeny dia ny taranja laza olana sy ny frantsay no tena mbola mampikolay ireo mpiadina. Tena nampahazo aina azy ireo kosa omaly ny taranja jeografia sy Malagasy. Na izany aza efa vonona ireo mpiadina amin’ny ankapobeny. Ny mamerina ireo karazana raikipohy sy tsara ho fantatra madinidinika sisa no tanterahin’izy ireo raha efa vita rahateo ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly nanaovanay fanadihadiana. Hatreto dia ny famerenan-desona sisa no tena hibahana amin’ny fandaharam-potoanan’ny sekoly tsirairay avy na ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana izany na ho an’ireo mpianatra hiatrika ny fanadinana tsotra hahafahana mifindra kilasy. Hotanterahina manomboka amin’ny Alatsinainy ho avy izao ihany koa mantsy ny fanadinana farany amin’ity taona ity, ho an’ireto farany.
Pati