faharoa amin’ity taona 2024 ity mialohan’ny hanatanterahana ny tena fanadinana izy amin’ny datin’ny 18 Jona ho avy izao. Ny fari-piadidiam-pampianarana na ny CISCO no hikarakara azy ity raha efa vita ny anjaran’ny ZAP. Tsiahivina moa fa ny taranja kajy sy ny laza olana ankoatra ny frantsay no mbola tena olan’ireo mpiadina hatreto. Na izany aza fantatra fa efa samy nanao ezaka avokoa ny sekoly isanisany izay fantatra fa efa saika nahavita ny fandaharam-pianarany avokoa.
Ho an’ny fanadinana CEPE tena izy moa dia fantatra fa mpiadina miisa 529 000 manerana an'i Madagasikara no hiatrika izany amin’ ny Talata 18 jona ho avy izao, izay hiparitaka amin'ny foibem-panadinana miisa 2 057 sy trano fianarana 14 925 isa. Nahitana fiakarana 3% ny isan'ny mpiadina ho an'ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Fepetra maro no noraisin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena hanamafisana ny fiambenana ny laza adina hatreto izay hiarahana miasa amin'ny mpitandro ny filaminana, hanatontosana amin'ny antsakany sy andavany ny fanadinana. Handraisana fepetra entitra sy henjana araka izany ireo izay minia manakorontana ka mety hiteraka tsy fahatomombanan'ny fanadinana.
Pati
Legende : Efa vonona tahaka izao ny ankamaroan’ireo mpiadina