Ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana eny Atsimondrano manokana dia fantatra fa vao foibem-panadinana miisa 6 amin’ny 26 misy no nahavita nanatitra izany tanteraka. Mbola taraiky kosa ny ambiny. Na izany aza dia ny 60%n’ireto farany no efa an-dalam-pahavitana. Nitombo hatrany amin’ny 10% araka izany ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE amin’ity taona 2023 ity ho an’ny fari-piadidiam-pampianarana Atsimondrano hatrany ka 7 taona no zandriny indrindra hoy ny loharanom-baovao. Hatreto dia saika miketrika ny amin’ny hahatafavoaka ireo mpiadina hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE ao aminy ireo sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana eny an-toerana. Ho an’ireo sekoly sasany dia efa hiatrika ny fanadinana andiany fahaefatra hitsapana ny fahaizan’ireo mpianatra izy ireo izay marihina fa hatao ampahibemaso mihitsy ny famoahana ny vokatra.
Pati