tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Fampianarana

CEPE sy BEPC 2023 Maimaim-poana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpiadina

Nivoaka ny alarobia 08 febroary 2023 ny naoty mikasika ny tsy fisian’ny fandoavam-bola amin’ny fisoratana anarana

13-févr-2023

Sample post image

ho an’ireo mpianatra na mpiadina ho amin’ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC amin’ity taom-pianarana 2022-2023 ity manerana ny Faritra 23 mandrafitra an’i Madagasikara. « Efa misy ny tetibola manokana napetraka eny anivon’ireo fari-piadidiam-pampianarana miisa 114 manerana ny Nosy ka tsy tokony hisy intsony ny fakàna vola ataon’ireo eny amin’ny ivon-toeram-panadinana mifanaraka amin’ireo fanadinam-panjakana ireo », hoy ny fanamarihana nataon’ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théophile. Notsipihiny tsara ihany koa fa ny fandaniam-bola ataon’ny ray aman-dreny amin’ny fanomanana ireo antontan-taratasy ho amin’izany fisoratana anarana ho mpiadina amin’ny fanadinana CEPE sy BEPC izany toy ny fanamboarana kopia nahaterahana sy ny maro hafa dia anjara andraikitry ny ray aman-dreny madiodio fa tsy misy idiran’ity maha-maimaim-poana ny fisoratana anarana ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinana ity.
Nangonin'i Jean D.
 

Dans la même rubrique

Card image cap
CEPE andrana andiany faharoa Ny taranja Frantsay sy laza olana no tena mampikolay ny mpiadina
07-juin-2023

Afaka 13 andro eo ho eo sisa dia hiatrika ny fanadinana ara-panjakana CEPE ireo kilonga madinika miisa 515.081

Voir plus