airtel

Fampianarana

08-janv-2025

CITE-N’NY MPIANATRA ENY ANKATSO

Atahorana mafy ny Court-circuit

Sample post image

Atahorana mafy ny Court circuit ho an’ny Cite-n’ny mpianatra eny Ankatso. Noho ny fahanteran'ny foto-drafitrasa

08-janv-2025

toy ny tariby mitondra herinaratra no nambaran’ireo mpianatra fa antony mety hahatonga izany. Tsy tafapetraka ireto farany noho izany na andro na alina fa mitaintaina foana raha araka ny fitarainana voaray. Indray mipy maso monja mantsy hoy izy ireo dia mety ho lasa lavenona avokoa ny entana sy fitaovana rehetra ao an-tokantranony raha sanatria ka misy izany firehetana izany. Miantso ny orinasa JIRAMA mba hijery akaiky ny zava-misy araka izany izy ireo, indrindra ny fanoloana ireo tariby mitondra herinaratra izay efa tena tsy tokony hiasa intsony.
Pati
Legende : Mitaintain-dava ireo mpianatra ety amin’ny Cite Ankatso amin’izao !
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Mpampianatra teny anglisy maherin’ny 100 no nandray anjara tamin’ny fiofanana iraisam-pirenena

Card image cap
12-juin-2025

Nasiam-panavaozana ny efitranon- tsekoly maromaro ao anatin’ireo sekoly ambaratonga

Card image cap