airtel

Fampianarana

17-mars-2026

CLAC

Hatao fitaratra etsy amin'ny tranom-bokim-pirenena

Sample post image

Ivon-toerana manampy ireo ankizy sy tanora

17-mars-2026

mpianatra mba hahatrarany ny tanjona tiany ho kendrena ny CLAC na ny Centre de lecture et d'animation culturelle. Amin'ny alalan'ilay ireny mantsy dia afaka mamaky boky manita-pahalalana maimaim-poana ny mpianatra, manao fikarohana nefa afaka mijery horonan-tsary mihetsika mahasoa ihany koa. Tsara hatrany ny taham-pahafaham-panadinan'ny mpianatra tamin'ny toerana nametrahana azy ireny raha araka ny fanazavan'ny sekretera jeneralin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny kolontsaina Rasolofoarijaona Mihary. Izany indrindra no nanosika azy ireo hiara-kiasa amin'ny Fikambanana iraisam- pirenena momba ny Frankofonia amin'ny alalan'ny fandaharan'asa Famelomana indray. Tafiditra ao anatin'ny dingana fanavaozana mba hanomezana fahafaham- po ny filan' ny mponina ankehitriny indrindra fa ny tanora izany. Napetraka ao amin'ny tranom-bokim-pirenena araka izany ny CLAC izay misokatra isan'andro manomboka amin'ny 08 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora hariva ankoatra ny andro Alakamisy.Izao fiaraha-miasa izao dia mikendry ny hanatsara ny fahazoana fahalalana sy vaovao , indrindra fa any amin' ireo faritra izay mbola voafetra ihany ny fotodrafitrasa hisian'ny toerana famakiam- boky ho an' ny daholobe eto Madagasikara. Arahin'ny fanatsarana ny fiaraha miasa amin ' ireo manam- pahefana eo an-toerana izany araka ny nambaran' ny solontenan' ny OIF eto Madagasikara. Ny boky sy ny gazetiboky natao ho an' ny tanora dia fantatra fa havoaka any amin ' ireo foibe amin' ny teny frantsay sy malagasy ho tombontsoan'ny rehetra.
Pati
Légende : Omaly nandritra ny fanokafana ny CLAC tetsy Anosy !
 

Dans la même rubrique