airtel

Fampianarana

24-févr-2021

Fampianarana

Collectif des Cadres Analanjirofo « Tsy atao sorona ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina »

Sample post image

Niala tamin’ny fahanginany ary nanao fanambarana omaly talata 23 ny Collectif des Cadres Analanjirofo,

24-févr-2021



 tarihin’ny filohany Razafindrabe Vivien José, manoloana ny raharaha ao amin’ny Oniversiten’i Toamasina. Mitsipaka an-kitsirano ny fampiasana basy sy fitaovam-piadiana amin’ny mpianatra tsy manantsiny ary miantso ny tompon’adraikitra hanasazy ireo nahavanon-doza ny Collectif. Tsy manaiky anaovana sorona ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina ireto farany. Ambaran’izy ireo fa ny olan’ny mpianatra toy ny vatsim-panarana sy trano fonenan’ny mpianatra dia olana efa hatry ny ela ka miantso ny fitondram-panjakana ny Collectif hijery vahaolana maharitra ho an’ny mpianatra mba tsy hiverimberenan’ny fitokonana ary miantso ny mpianatra mba tsy hanaiky ataon’olona fitaovana politika sy tsy hanimba fitaovana iombonana. Miantso ireo mpitantana eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony ihany koa ny Collectif mba tsy hifanilika andraikitra fa hijoro ho tompon’andtaikitra amin’ny zavatra rehetra mitranga ary miara-mamaha olana. Niforona tao Analanjirofo tamin’ny taona 2013 ny Collectif izay ivondronan’ireo vato nasondrotry ny tany avy ao amin’ny faritra.

Nangonin’i Jean D.

 

Dans la même rubrique