airtel

Fampianarana

04-mars-2024

Fampianarana

« Cours » ho an’ny mpanala fanadinam-panjakana Maro ireo mpiadina miandry ireo tsy handoavam-bola

Sample post image

Efa saika nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo avokoa

04-mars-2024

ny ankamaroan’ireo cour na fanampim-pampianarana omena ireo mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana maro isan-tsokajiny eto amintsika. Maro amin’ireo mpianatra no miandry ireo karazany tsy handoavam-bola noho izany vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny. Misy ihany ireo maimaim-poana noho izany toy ny ao Alasora Avaradrano. Nanomboka afak’omaly Sabotsy tao amin'ny CEG Alasora, ny Cour d'appui BEPC izay karakarain'ny kaominina. Isaky ny andro Sabotsy no manaraka io fanampim-pampianarana io ireo mpianatra izay tsy hanavahana sokajy fa rehefa mety ho zanak’Alasora. Tanjon’ny Ben'ny tanana sy ny mpanolontsaina ny mba hahazoan’ny mpianatra fahombiazana hahafahan’izy ireny mandroso hatrany amin’ny famitana ny fianarany fa tsy sanatria ho variana amin-java-kafa ka hidonanam-poana fotsiny. Tsiahivina moa fa efa mandeha avokoa ny fisoratana anarana amin’ireo karazam-panadinana miisa 3 amin’izao fotoana izao dia ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalorea. Ny 18 Jona ho avy izao no hotanterahina manerana ny Nosy ny fanadinam-panjakana CEPE raha ny 01 ka hatramin’ny 04 Jolay kosa ny fanadinam-panjakana BEPC. Tamin’ny 04 Septambra taona 2023 kosa no nanomboka ny taom-pianarana 2023-2024 ary hifarana ny 28 Jona ho avy izao ho an’ireo kilasy tsotra.
Pati
Legende : Ireo mpianatra tonga hanaraka cour teny amin’ny CEG Alasora !

 

Dans la même rubrique