airtel

Fampianarana

30-janv-2024

Dabilio ho an’ny mpianatra

Maninona moa raha ianareo mpitondra no manao tsipaipaika e !

Sample post image

Mbola mampiady hevitra etsy sy eroa hatramin’izao ilay tsapan-kevitra

30-janv-2024

miendrika ho antso fanampiana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena momba ny SOS dabilio. Nisy namoaka hevitra milaza hoe : mba atomboy aminareo manampahefana sy mpitondra fanjakana aloha ny tolotra e. Ka 100 000 Ar isam-bolana, isan’olona mandritra ny enim-bolana aloha ny hanombohana azy. Miainga any amin’ny filoham-pirenena 100 000 Ar ampitomboina 6 manome 600 000 Ar, tahaka izay ihany koa ny an’ny praiminisitra. Ireo minisitra 27 mianadahy raha samy manolotra 100 000 ar isam-bolana avy dia 16 200 000 Ar.Ireo hoe sekreteram-panjakana miisa 9 dia 5 400 000 Ar.Ireo loholona sy solombavambahoaka raha atambatra dia tokony mahavita manangona tsipaipaika 52 800 000 Ar ; mbola afaka manampy an’ireo ny governora, prefe, ben’ny tanàna. Koa raha natao ny asa marika dia hahatratra hatrany amin’ny 1 190 400 000 Ar no fitambarany avy amin’ireo mpitondra fanjakana.Heverina hoe 100 000 Ar ny dabilio iray dia mahazo dabilio miisa 11 904 izany ao anatin’ny enim-bolana. Kajy natao kaonty ambany io fa raha ny rariny sy hitsiny ambony lavitra noho ny tsipaipaika ataona ben’ny tanàna ny tsipaipaika omen’ny governora sy minisitra izany.Mbola resaka hafa ny an’ny Filoham-pirenena sy ny praiminisitra satria tsy mitovy ny karama raisina. Mety ho hafa kokoa ny fandehan’ny raharaha, tsy niteraka adihevitra be raha mampiseho ohatra tsara ny mpitantana fa tsy hoe manery an-kolaka sy mitady hanambaka ny vahoaka izay efa tena sahirana ny 90 isan-jatony.
RTT
 

Dans la même rubrique