airtel

Fampianarana

03-juil-2026

DELESTAZY

ANKATOKY NY FANADINANA

Sample post image

Voatery mamerin-desona amin'ny labozia ny mpianatra

03-juil-2026

Nahazo vahana indray ny delestazy na ny fahatapahan-jiro matetika nanomboka ny fiandohan'ny herinandro teo. Ho an'iny distrikan'Atsimondrano iny dia maharitra ora roa isan-kariva eo izany. Miverina tampoka eny anelanelany eny dia maty indray afaka 2 minitra, tranga tena manimba ireo karazana fitaovana mandeha amin'ny herinaratra ao an-tokantrano tokoa. Miferinaina avokoa ny ankamaroan'ny Ray aman-dReny vokatr'izany. Ao anatin'ny fotoana faramparany hamerenan'ireo mpiadina hiatrika fanadinam-panjakana ny lesona mantsy izao. Manampy trotraka izany ny tsy fahafahana manaraka ny vaovao amin'ny vata fahitalavitra sy ny tsy fandriampahalemana izay tena miharatsy hatrany. Lasa fandaniam-bola mivoaka hafa indray noho izany ny fividianana labozia isan-kariva mba hianaran'ireo mpianatra hanala fanadinana.
Pati
Légende : Mianatra amin'ny labozia kely tahaka izao ny ankamaroan'ny mpianatra !
 

Dans la même rubrique

16-juil-2026

Lycée technique agricole » sy CFP

Card image cap