Nidina ifotony tany Antsiranana, tany amin’ny Faritra SAVA sy Diana ny Minisitry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa tamin’ny fiandohan’ity volana jolay ity, izay niompana tamin’ny fandaharam-potoana marolafy entina hampiroboroboana ity departemanta ity. Tao aorian’ny « Ampahibemaso » ? Notanterahina ny 03 Jolay 2026 ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ireo taratasy fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra « vacataires » noraisina ho mpiasa raikitra ao amin’ny faritra Diana. Nanolotra izany mivantana ny minisitra, niaraka amin’ireo mpiara miasa aminy, izay nanamafy fa hahazo ny anjarany avokoa ireo faritra rehetra. Tafiditra amin’ny fanoloran-tenan'ny Governemanta amin'ny fampanjakana ny mangarahara sy ny fitantanana tsara ary ny fanamafisana ny kalitaon'ny loharanon'olombelona eo amin'ny sehatry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa izany. Nisy ny fidinana ifotony hijerena sy handraisana fanapahan-kevitra amin’ ireo toeram-panofanana mba hitondrana ny fanatsarana mahakasika ny « LTP Ambilobe » sy ireo « CFP taloha sy vaovao » izay nahorina no antony izao. Tantsaha mpampita miisa 42 ihany koa no notolorana ny « Certificat de Fin de Formation » mifototra amin’ny « Référentiel National au Métier de Paysans Relais ». Ity mari-pahaizana ity dia manamafy ny fahaiza-manao arak’asa, mifanaraka amin’ny politikan’ny METFP amin’ny fanamafisana ny fiofanana manaraka ny fenitra nasionaly. Natao tao anatin’ny Tetikasa FIHARILOVA, fiaraha-miasan’ny METFP, ny Minisiteran’ny Fambolena sy Fahaleovantena ara-tsakafo ary ireo mpiara-miombon’antoka, vatsian’ny AFD ao anatin’ny Programa Varuna. Nisy ihany koa ny fanomezana bisikileta sy fitaovana ho fanohanana ny asa fampitana eny ifotony. Vokatra azo tsapain-tanana amin’izany ny: tantsaha 2 500 nahazo fiofanana, 73 pépinières naorina, 73 ha voavoly hazo, ary 80 ha voatondraka noho ny lakandrano mirefy 5 km, manamarika ny anjara biriky mivaingana amin’ny fampandrosoana maharitra. Mitohy hatrany ny fanatanterahan'ny ireo laharam-pahamehana napetraka amin'ny alalan'ny fanavaozana, ny fanamafisana ny fanofanana no manakaiky ny vahoaka ary ny fanamorana ny fampidirana amin'ny sehatry ny asa,… hoy ny eo anivon’ny METFP.
Toky R