airtel

Fampianarana

02-mars-2022

Fampianarana

DREN Bongolava Misy maka ny volan'ny mpampianatra

Sample post image

Hafahafa ny zava-nitranga tany Bongolava momba ny vola fanampiana ho an’ny mpampianatra na "Subvention"

02-mars-2022

.Voakasik’izany ireo noraisina ho mpiasam-panjakana 6ème vague (2019-2020) .Ao anatin'ny "bordereau déscriptif" tsara ny anaran'ireo mpampianatra ireo ary tamin'ny 3ème bimestre nandray ny vola tsara ireo mpampianatra saingy tamin'ny 4ème bimestre dia tsy nahazo ny volany satria efa nisy naka izany, hono. Tsy hita ny "bon de caisse"n'izy ireo ary voalaza fa efa nisy naka ny volany. Etsy ankilany fantatra fa misy mandatsaka baiko sy tsindry amin'ny talen'ny CEG ihany koa ao Bongolava ao raha ny fantatra satria dia manolotra olona terena raisina ho mpampianatra Fram miasa an-tsitrapo. Kanefa ny baiko avy amin'ny minisitra dia hentitra, tsy azo atao ny mandray mpampianatra Fram. Ilay olona terena raisina rahateo voalaza fa tsy manana "autorisation d'enseigner" akory no sady tsy nanaraka ny fiofanana manokana takian'ny fampianarana eto amintsika.
Pati

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Tsy handalo fotsiny ihany ny fahatsiarovana ny faha-77 taonan'ny tolom-panafahana 1947

Card image cap